Groupement SRI Madagascar

IREO NAMPIDIRINA NY:

08 May 2013

Antongomavo-Bevary : voatsentsitra ny mpamboly vary

Mitohy ny fampihorohoroana ny tantsaha mpamboly vary ao Antongomavo-Bevary, ao Namakia, any amin’ny faritra Boeny. Tadiavin’ny mpitandro filaminana ho samborina indray ny 17 amin’ireo mpamboly 3 000 mahery ao amin’io toerana mifanolo-bodirindrina amin’ny orinasa fanaovan-tsiramamy ao Namakia io, hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Ny tsy fanekena ny tsindrihazolena sy fananaraotana ampiharin’ireo malagasy itokisan’ny vahiny mitantana io orinasa io no fototry ny olana rehetra, araky ny fanazavan’ny ampahana mpamboly tafatsoaka aty an-drenivohitra amin’izao fotoana izao.

Vakio ny tohiny>>>


07 May 2013

Ambatofinandrahana: Rakotry ny valala ny renivohitry ny distrika

Tao anatin'ny telo andro izao dia rakotry ny valala tanteraka ny tanàna ao amin'ny renivohitry ny distrik' Ambatofinandrahana. Mbola tsy nisy toa izao hoy ireo nahita hatramin'izay satria dia ny toerana manodidina ihany no nasian'ny andiam-balala rehefa tonga izy ireo teo aloha. Ny voalohan'ny volana may 2013 no tonga tao Ambatofinandrahana renivohitra ny andiam-balala tonga voalohany, ka nisy tarika 3 izy ireo tamin'izany.

Vakio ny tohiny>>>


24 Aprily 2013

Mandoto: Tonga ny mpamono valala

Misaotra an'Andriamanitra lehibe ny mponina ao amin'ny distrikan'i Mandoto fa velona ny fanantenan'izy ireo. Efa tonga any an-toerana tokoa, hatramin'ny Alahady hariva teo mantsy ireo ekipa mpamono valala, avy ao amin'ny DRDR Vakinankaratra ka ny talem-paritra mihitsy no mitarika azy ireo.

Vakio ny tohiny>>>


09 Aprily 2013

Faritra Boeny: Tantsaha 7700 nahazo tombontsoa avy amin’ny FRDA

Nifarana ny 5 avrily 2013 ny famatsiam-bolam-paritra ho fampandrosoana ny ambanivohitra na ny Fonds régional de développement agricole (Frda), avy amin’ny minisiteran’ny fambolena tany amin’ny Faritra Boeny...

Vakio ny tohiny>>>


08 Aprily 2013

Tetikasa Ambatovy : Tohodrano 2 vita any Brickaville.

Tohodrano roa no indray nataon’ny Tetikasa Ambatovy ao amin’ny kaominina roa ao anatin’ny distrikan’i Brickaville, Faritra Atsinanana, anisan’ny toerana manodidina ny fantsombe mitatitra ny akoram-potaka avy any Ambatovy mihazo an’i Toamasina...

Vakio ny tohiny>>>


06 Aprily 2013

Tontolon’ny fambolena: 4% monja ny tany misy voly eto Madagasikara.

Ny fampahafantarana ny tontolo ambanivohitra amina faritra maro eto Madagasikara. Aiza ho aiza marina ny fampandrosoana ny fambolena sy ny fiompiana eto amintsika ?

Vakio ny tohiny>>>


02 Aprily 2013

Fanolorana voka-pikarohana momba ny voly vary maroanaka

Noho ny antony tsy azo anoharana dia voatery ahemotra ny alatsinainy 08 aprily 2013 amin'ny 02 ora sasany tolankandro ny fanolorana voka-pikarohana momba ny voly vary maro anaka.

28 Marsa 2013

Fanolorana voka-pikarohana momba ny voly vary maroanaka

Hisy fanolorana voka- pikarohana momba ny voly vary maroanaka ny alakamisy 04 aprily 2013 izao amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny CRS Tsiadana. Noho izany dia asaina manokana hanatrika izany isika mpikambana sy mpiara miombon’antoka amin’ny GSRI. Mpianatra roa no hanao ny famelabelarana : Brett ARONSON avy amin’ny Brandeis University (USA) sy Andriantoky RAKOTONIAINA avy ao amin’ny ESSA Antananarivo. .

14 Marsa 2013

Distrikan’i Morombe : tototra avokoa ireo lakandrano manondraka tanimbary

3500 ha sisa, raha be indrindra izao, no azo volena amin’izao fotoana izao, raha 10.000 ha izany teo aloha, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Sahirana, noho izany, ireo mpamboly vary any amin’ny distrikan’i Morombe manontolo, matiantoka tanteraka 100 %.
Ny voly teo aloha, ravan’ny rano avokoa, ary ankehitriny, na te hanarina izany aza ireo tantsaha, tototry fasika avokoa ireo ny lakandrano rehetra manondraka ny tanimbary. Goavana ny fahavoazana miantraika amin’ny vahoakan’i Morombe, saika potika avokoa ny fambolembary any amin’ny «périmètre Bas-Mangoky». Tapaka tanteraka ny tambajotra avy ao Bevoay, manondraka tanimbary anarivony hekitara maro.
Tsara ny manamarina fa efa nanao ezaka ny mpamboly tamin’ity taona ity, satria nisy vahaolana noraisin’ny Farira Atsimo Andrefana nanadio ireo lakandrano ireo. Koa nanao izay ho afany izy ireo, ny volana janoary sy febroary, kanefa herim-po very maina avokoa izay ezaka natao. Tsara ny fahatongavan’ireo fanampiana, «vonjy ranovaky» tokoa, fa ny tena andrasan’ny mponina izao, ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba, tsy hahafahan’izy ireo miverina amin’ny fambolena.
R. Mathieu

13 Marsa 2013

MANDOTO.

Tanimbary midadasika rakotra valala

Tantsaha misedra olana. Rakotra andiam-balala ankehitriny ny ilany andrefan'ny distrikan'i Mandoto, ao amin' ny faritra Vakinankaratra. Vary amina hektara maro vokatr'izany no simba sy lasibatr'ireo andiam-balala ireo. Very hevitra manoloana izany ireo tantsaha mpamboly any an-toerana satria tsy misy horaisina ny vokatra nambolen'izy ireo.
« Ny fandroahana ny valala amin'ny alalan'ny lamba sy rantsan-kazo no hany ataonay aty, ankoatran'ny fiarovana amin'ny fandrakofana ireo voly sisa amin'ny mololo. Miantso vonjy amin'ny fanjakana manoloana izao voina mahazo anay izao izahay satria tsy mety ho afa-pahasahiranana. Raha tsy lasibatry ny havandra ny fambolena ataonay dia ataon'ny valala tsy misy mihangana », raha ny tati-baovao avy amin-dRasoanirina Nary, mpampianatra any an-toerana. Tsy mitoe-potsiny amin' izao manoloana izany anefa ireo mpamboly sy mponina any an-toerana fa efa mitady vahaolana hitsinjovana ny vodiandro mierika. « Efa manomboka manan- gona vary sy vokatra hafa izahay, satria ny voka-bary an-tsaha sy an-tanety efa tsy misy antenaina intsony ».

13 Marsa 2013

PORT-BERGÉ.

Mponina manahy mosary

Potika vokatry ny tsy fisian' ny rotsak'orana ankehitriny ny voly vary any amin'ny distrikan'i Port- Bergé. Mihakely sy ifampitadiavana ny vary hatao sakafo any an-toerana. Niakatra ho 450 ariary izao ny kapoakan'izany ankehitriny raha 300 ariary izany teo aloha. Manahy ny hisian'ny mosary ireo mponina ka mitady vonjy amin'ny fanjakana.

21 Oktobra 2011

Tatitra famaranana ny fianarana sy ahazoana ny diplaoma ho injeniera amin’ny sampam-pampianarana Fambolena sy fiompiana.

Fiaraha-miasa miaraka amin’ny:
- ESSA (Ecole Supérieur des Scienses Agronomiques )
- GSRI (Groupement SRI Madagascar)
- FOFIFA
- STOI-AGRI
- TANANAMADIO

''FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY FANADIHADIANA EKÔNOMIKA NY FANATSARANA NY TANY NATAO VOLY VARY MARO ANAKA : NALAINA TAMIN’NY FAMPIASANA KAOMPÔSITRA TANANAMADIO SY TAROKA TAO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRY BEHENJY ''

Vakio ny tohiny>>>


30 Septembre 2011

NY FIVELARAN’NY FIARAHA-MIASA

Ny mpilatsaka an-tsitrapo iray avy ao amin’ny “Corps de la Paix” dia nanatanteraka asa mahakasika ny Voly Vary Maro Anaka tamin’iny faritry Matsiatra Ambony iny. Namorona Blog izy ka natsofoka ao anatin’ny tranonkalan’ny GSRI. Faritra BLOG avy eo SRI PICTURE BLOG.

09 Septembre 2011

Siansa, fampiharana ary ny Voly Vary Maro Anaka any Inde

Ny Voly Vary Maro Anaka (VVMA)dia azo lazaina ho fomba vaovao amin’ny fambolem-bary izay mamokatra betsaka sy maharitra kokoa noho ny fomba fambolena nahazatra. Izany fihevitra izany anefa dia toherina na lavin’ireo mpikaroka ara-tsiansa momba ny vary. Na dia mbola tsy misy loatra aza ny fanazavana ara-tsiansa mazava sy tsy azo hiodivirana, dia hita sy tsapa ankehitriny ny firoborobon’ny fampiharana ny VVMA amin’ireo faritra mpamokatra vary, indrindra amin’ny faritra maro any Inde.
Ity lahatsoratra ity dia manadihady ny fomba sy ny antony mahatonga ireo mpikirakira ny fambolem-bary voasarika amin’ny VVMA. Nifantohana lalina dia lalina izany trangan-javatra izany.
Eo anatrehan’izay rehetra izany anefa dia maro ireo fanazavana ara-tsiansa mbola tsy misy valiny, toy ny fifandraisan’ny VVMA sy ny “Mecanismes biopysiques”, ny fiantraikany amin’ny tanjaky ny zavamaniry sy ny vokatra azo avy aminy, ny fivelaran’ny fampiharana ny VVMA eo anivon’ny mpamboly, ny fiantraikany amin’ny fiaimpiainan’ny mpamboly, ny famokaram-bary sy ny fampiasana ireo angovom-pamokarana.
Ao anatin’ny fahazotoan’ny Mpamboly Indianina dia misy ny tsy fahafahampo manoloana ny fampitana izay efa nahazatra ary ny filàna haitao vaovao izay mety hamaha ny tena vontoatin’ny olana sy hahatrarana ny hoavin’ny fambolena.

31 Marsa 2011

Tao aorian’ny Betsiboka, vovonana isam-paritra SRI 2 vaovao no voapetraka tany amin’ny faritry Vatovavy Fitovinany sy Atsmo Atsinanana
Ny fametrahana ireo vovonana isam-paritra SRI amin’ny faritra rehetra ato anatin’ny nosy lehibe dia isan’ireo laharam-pahamehana voafaritra tao anatin’ilay Atrik’asam-pirenena momba ny SRI. Tao aorianan’ny Betsiboka ary dia anjaran’ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana indray no nametraka ny azy ny 23 sy ny 25 Martsa 2011 lasa teo.

Vakio ny tohiny >>>

Fifampizaràna traikefa tany amin’ny faritry SAVA

Vakio ny tohiny >>>

25 Marsa 2011

Fomba hafa hiarovana ny fambolena ao anatin’ny haintany : fifampizarana traikefa niainga tamin’ny fanampariahana ny Voly Vary Maro Anaka tany amin’ny Faritra Menabe, Fiarahamiasa miaraka amin’ny CODEGAZ.

Vakio ny tohiny >>>

11 Mars 2011

Ireo famelabelarana nataon’ireo Mpandray anjara tamin’ny atrik’asam-pirenena momba ny Voly Vary Maro Anaka.

Vakio ny tohiny >>>

4 Mars 2011

TATITRA NY ATRIKASAM-MPIRENENA MOMBA NY VOLY VARY MARO ANAKA NY 22-23-24 Novembre 2010 natao tao Vohipiraisana Ambohijatovo

Vakio ny tohiny >>>

4 Febroary 2011

TATITRA MIKASIKA NY FIVORIANA NATAON'NY Vondrona SRI TAMIN'NY 28 JANOARY 2011
TOERANA: CRS Tsiadana

Vakio ny tohiny >>>